1 Peter 4

1Noho izany, satria nijaly tamin’ny nofo i Kristy, dia ataovy fiadian’ny tenanareo izany tanjona izany. Fa izay rehetra nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny fahotana. 2Vokatr’izany, ny olona toy izany, mandritra ny fotoana sisa hiainany, dia tsy hiaina ho an’ny fanirian’ny olona intsony, fa ho an’ny sitrapon’Andriamanitra.

3Fa ampy izay ny fotoana lasa nanaovana izay tian’ny Jentilisa atao- hafalian’ny nofo, fijejojejoana, fimamoana, fitondran-tena mahamenatra, filalaovan-dratsy, ary ireo asan’ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4Heverin’izy ireo fa hafahafa satria tsy mikambana amin’izy ireo ao amin’izany fanaranam-po be izany ianareo, noho izany dia hiteny ratsy momba anareo izy ireo. 5Hamaly ny iray izay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo. 6Noho izany antony izany no nitoriana ny vaovao mahafaly tamin’ireo maty ihany koa, mba, na dia notsaraina tamin’ny nofo toy ny olona aza izy ireo, dia hiaina toa an’Andriamanitra ao amin’ny fanahy.

7Manakaiky ny faran’ny zavatra rehetra. Noho izany tongava saina, ary mahonona tena amin’ny eritreritrareo ho an’ny fitiavam-bavaka. 8Ambonin’ny zavatra rehetra, manàna fitiavana feno ho an’ny tsirairay avy, fa ny fitiavana mandrakotra fahotana maro. 9Mifampiantranoa tsy am-pitarainana.

10Fa ny tsirairay aminareo dia nandray fanomezam-pahasoavana, ampiasao hifanompoana izany. Manaova izany toy ny mpitan-draharahan’ny fanomezam-pahasoavana maro maimaimpoana an’Andriamanitra. 11Raha misy miteny, aoka izy hanao izany toy ny iray miteny ny tenin’Andriamanitra. Raha misy manompo, aoka izany ho avy amin’ny hery izay vatsian’Andriamanitra. Manaova ireo zavatra ireo mba homem-boninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy amin’ny fomba rehetra Andriamanitra. Aoka ho an’i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakizay doria. Amena.

12Ry malala, aza raisina ho hafahafa ny fitsapana amin’ny afo izay nitranga taminareo, toy ny hoe nisy zavatra hafahafa nitranga taminareo. 13Fa kosa, na dia betsaka aza ny hiainanareo ireo fijalian’i Kristy, mifalia, mba ho afaka hifaly ihany koa ianareo ary ho ravoravo amin’ny fanambarana ny voninahiny. 14Raha notevatevaina noho ny anaran’i Kristy ianareo, dia voatahy, satria ny Fanahin’ny voninahitra sy ny Fanahin’Andriamanitra dia mitoetra ao aminareo.

15Fa aoka tsy hisy na iza na iza aminareo hijaly toy ny mpamono olona, mpangalatra, mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ny hafa. 16Fa raha misy mijaly fa Kristiana, aoka izy tsy ho menatra; fa kosa, aoka hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.

17Fa fotoana izao hanombohana ny fitsarana miaraka amin’ny ankohonan’Andriamanitra. Raha manomboka amintsika izany, inona no ho vokatra ho an’ireo izay tsy mankàto ny filazantsaran’Andriamanitra? 18Ary raha “ny olo-marina aza ila tsy ho voavonjy, amin’ny fomba ahoana no hisehoan’ny olona tsy an’Andriamanitra sy ny mpanota?” Noho izany aoka ireo izay mijaly noho ny sitrapon’Andriamanitra hanankina ny fanahin’izy ireo amin’ny Mpamorona mahatoky amin’ny fanaovan-tsoa.

19

Copyright information for PltULB